Ny Saka sy ny Voalavo

Sary: saka sy voalavo - avy amin'ny: Andriamahanina, S. and Ratsima, M. (1975). Soa fianatra. Antananarivo: Fernand Nathan Madagascar.

Fantatrareo ve hoe inona no antony ihinanan’ny saka ny voalavo?

(ENGLISH TRANSLATION here!)

Misy tantara samihafa milaza ny antony ihinana’ny saka ny voalavo raha ny lovantsofina malagasy no jerana. Ity angano ity ary dia hitantara amintsika ny zava-nitranga nisy teo amin’ny saka sy ny voalavo.

Indray andro hono, nifankatia tokoa Rasaka sy Ravoalavo. Nanapa-kevitra izy roa lahy fa handeha hamangy ny namany, Rabitro, izay tsy dia salama loatra. Rabitro moa dia mipetraka any am-pitan-drenirano any.

Nivatravatra aoka izany ny orana ny halina iny ka difotry ny rano ireo kivatovato fiampitan-dRasaka sy Ravoalavo ny renirano.

Photo by Ian Turnell on Pexels.com

Niahiahy ihany Rasaka ny andeha satria izy tsy nahay nilomano akory. Ny andro rahateo moa efa hariva. “Aza manahy Rasaka a! Hanamboatra lakana kely isika hiampitana,” hoy Ravoalavo.

Dia lasa nangady vomanga teny an-tanim-bomanga teny akaiky teny Ravoalavo. Nanomboka nohaniny ny teo afovoan’ilay vomanga hanamboarany ity lakan’izy roa lahy. Tao anatin’indray mipi-maso monja dia voambotra ny lakana.

Roso ary ny dia. Somary nanonja ny rano hany ka nihozongozona ny sambo. Natahotra Rasaka. Saingy tsy niteniteny izy satria menatra.

Kinanjo! Tampotampoka teo, nahatsiaro noana Ravoalavo. Nieritreritra izato izy hoe, ‘Ity izaho re dia eto ambony lakana vomanga. Sady mitaingina ny lakana aho no te-hihinana vomanga mafy dia mafy fa tena noana.

Nahita an-Ravoalavo nihinanana ny lakana Rasaka ka taitra, “Fa! Fa! Inona ity ataonao Ravoalavo? Raha ho lavahanao ny lakantsika dia ahita loza isika.”

“Tsy misosa haingana ny lakantsika satria mavesatra loatra koa,” hoy Ravoalavo tsy taitra sady nihinana ity lakana vomanga. “Hanasorako kely aloha amin’izay misosa haingana.”

A sweet potato – photo by Buntysmum via Pixabay

Niha-nanify dia niha-nanify anefa ity lakana ka tsy naharitra intsony Rasaka.

“O Ravoalavo a! Aok’izay ny fihinanana ity lakantsika ity fa ho faty eto ange isika e!!!”

Tsy niheno an-dRasaka Ravoalavo fa ny lakana no tsy namelany fa nohaniny. Natsiro tokoa moa ts’inona ilay izy koa.

Nanomboka niditra ary ny rano.

Kanjo, inona tokoa?! Nilentika ity lakana. Ravoalavo nilomano moramora tsy nisy olona. Ary tody soa aman-tsara tery am-pita. Nojereny tsara ity namany sahirana sy niezaka nilomano. Lokin’ny hehy Ravoalavo nahita an-dRasaka niady mafy tao anaty rano.

Rasaka moa tsy nahay nilomano rahateo nefa mamy ny aina koa. Ka nanao izay araky ny ainy izy niampita ny rano ary tena sahirana vao tafita. Reraka mafy Rasaka ary tsy maintsy naka aina aloha.

Nandritra an-dRasaka naka aina iny no inty tamy Ravoalavo handeha iarahaba azy.

Saingy tezitra loatra Rasaka ka avy hatrany dia nataony indraimbava Ravoalavo.

By Any Madagasikara

Nanomboka teo ary dia tsy nifampisakaiza intsony ny saka sy ny voalavo.

Dia izay re olona no nahatonga ny saka mihinana voalavo a. Angano, angano! Arira, arira!

Ny ampahan’ity tantara ity dia nalaina tao amin’ny boky nosoratan’ Andriamahanina, S. and Ratsima, M. (1975). Soa fianatra. Antananarivo: Fernand Nathan Madagascar.

L.

© 2022 Any Madagasikara. All Rights Reserved.

Published by Any Madagasikara

A glimpse of Madagascar

Leave a comment

Design a site like this with WordPress.com
Get started